Entrée | 1 Etsy, matoria |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
Auteur |
4 Rado |
Texte complet |
5 Anaka! 6 Etsy àry, matoria, ka dia manofisa mamy 7 ary akimpio ny maso...'ty ny tanako iondany! 8 I dada ity mandrotsirotsy, fa i neny efa trotraka 9 nitaom-biriky anikeo ary efa saiky potraka 10 noho ny haben'ny havizanany... 11 ka savolaina be ny tanany 12 Raha mingonongonona aho, aza atao manaitra anao 13 fa tsy momba anao akory izao ventesiko eto izao... 14 ...Isaorako aza Andriamanitra, raha tsy fantatrao akory 15 izay alehan'ny fisainako, 16 na izay adin'ny fiainako 17 feno zava-mifamaho mila tsy hahitako tory 18 efa an-taona maro izao! 19 ...Soa fa niafina aminao, 20 izany izaho mifoha maraina 21 mieritreritra ao an-tsaina 22 sy mitetika ny asa hamonoako ny masoandro 23 ho sakafontsika anio, na dia hoe indray mahandro... 24 ...Nefa ny hofan'ny sarety nitaterako aza mbola 25 notrosaiko tato atsimo...Nisy ihany mantsy vola 26 teo am-pelatanantsika, 27 nokendrena tsy hipika, 28 nefa lasan-dreninao hividianan-tapa-damba 29 hanapenana 'ty lobako...Ary ny ambiny, hono, angamba 30 raha misy dia hatao 31 akanjo anatiny ho anao 32 fa mamirifiry loatra ity ririnintsika ity! 33 ...Nefa, etsy, matoria, 34 fa hadalana ny an' i dada, resak'olona efa lanaka 35 ka ny adi-sainy indray no entiny hampatory zanaka... 36 ...Ts'hita mantsy, ry sombinaiko, 37 f'efa miady be ny saiko! 38 Rahampitso fotsiny aza:hifindra trano ny ato avaratra 39 ka izaho no hokaramainy...Mety ho vitan'io ny karatra! 40 Kanjo reko indray izao, fa ny lalana ho sakanana 41 rahampitso vao maraina...Hisy mantsy fitokanana 42 ato akaikintsika ato, ka ny sarety izay mandeha 43 dia havily avokoa fa handalo ireo Lehibe... 44 Ary izay 'lay mahavoa 45 sady mahavaky fo 46 ny mpitrongy tahaka anay ...Fa toa maro ny hetraketraka 47 tongatonga fotsiny eny, ka dia mahaketraketraka... 48 Nefa, etsy, matoria... 49 Mikimpia dia mikimpia... 50 Ary aza omenao tsiny Idada sy ny redirediny 51 F'efa tafahoatra loatra ny ahiahy sy tebitebiny... 52 ...Miondàna, sombinaina 53 eto am-poko be taraina. 54 Anaka! 55 Etsy àry, matoria, ka dia manofisa mamy 56 ary akimpio ny maso...'ty ny tanako iondany! 57 I dada ity mandrotsirotsy, fa i neny efa trotraka 58 nitaom-biriky anikeo ary efa saiky potraka 59 noho ny haben'ny havizanany... 60 ka savolaina be ny tanany 61 Raha mingonongonona aho, aza atao manaitra anao 62 fa tsy momba anao akory izao ventesiko eto izao... 63 ...Isaorako aza Andriamanitra, raha tsy fantatrao akory 64 izay alehan'ny fisainako, 65 na izay adin'ny fiainako 66 feno zava-mifamaho mila tsy hahitako tory 67 efa an-taona maro izao! 68 ...Soa fa niafina aminao, 69 izany izaho mifoha maraina 70 mieritreritra ao an-tsaina 71 sy mitetika ny asa hamonoako ny masoandro 72 ho sakafontsika anio, na dia hoe indray mahandro... 73 ...Nefa ny hofan'ny sarety nitaterako aza mbola 74 notrosaiko tato atsimo...Nisy ihany mantsy vola 75 teo am-pelatanantsika, 76 nokendrena tsy hipika, 77 nefa lasan-dreninao hividianan-tapa-damba 78 hanapenana 'ty lobako...Ary ny ambiny, hono, angamba 79 raha misy dia hatao 80 akanjo anatiny ho anao 81 fa mamirifiry loatra ity ririnintsika ity! 82 ...Nefa, etsy, matoria, 83 fa hadalana ny an' i dada, resak'olona efa lanaka 84 ka ny adi-sainy indray no entiny hampatory zanaka... 85 ...Ts'hita mantsy, ry sombinaiko, 86 f'efa miady be ny saiko! 87 Rahampitso fotsiny aza:hifindra trano ny ato avaratra 88 ka izaho no hokaramainy...Mety ho vitan'io ny karatra! 89 Kanjo reko indray izao, fa ny lalana ho sakanana 90 rahampitso vao maraina...Hisy mantsy fitokanana 91 ato akaikintsika ato, ka ny sarety izay mandeha 92 dia havily avokoa fa handalo ireo Lehibe... 93 Ary izay 'lay mahavoa 94 sady mahavaky fo 95 ny mpitrongy tahaka anay ...Fa toa maro ny hetraketraka 96 tongatonga fotsiny eny, ka dia mahaketraketraka... 97 Nefa, etsy,matoria... 98 Mikimpia dia mikimpia... 99 Ary aza omenao tsiny Idada sy ny redirediny 100 F'efa tafahoatra loatra ny ahiahy sy tebitebiny... 101 ...Miondàna, sombinaina 102 eto am-poko be taraina. |
Mis à jour le 2025/07/29 |
![]() |